<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ny teninao, Jehovah ô !
 Voatory aminay
 Tahio tsy ho levona,
 Velominao anie !

[V2]
 Izay voatory tsy anay,
 Fa avy Aminao,
 Ka dia ny fanambinanao
 No mba ilainay koa.

[V3]
 Fa tsy mba ampy ho anay
 Ny toriteninay,
 Ka tsy ho tokinay ireo,
 Raha tsy ambininao.

[V4]
 Dia ampitoeronao izao
 Ho eto aminay
 Ny herin'ny Fanahinao,
 Mba hahasoa anay.</lyrics>
<title>Ny teninao, Jehovah o! FFPM346</title>
<hymn_number>346</hymn_number>
<author>W.H. Havergal</author>
</song>